Ny zoma alina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any, tonga tao amin’ny tranona senatera taloha eny Ambatolampy Ambohimanarina, ny jiolahy voalaza fa dimy ary nanao saron-tava. Rehefa teo ambaravarana ry zalahy ireo, araka ny voavao dia nandondona. Tsy nisy nahafantatra izay nahatafiditra azy tao amin’ny tokotany. Ilay tompon’ny trano no namaha ny varavarana. Tsy nanampo na inona na inona ity farany tamin’izany. Raha vao nivoha ny trano, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tsindrona antsy no niantefa tamin’ity olona ity, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Diana antsy telo no niantefa tamin’ity olona ity ary izany no nitarika ny fahafatesany. Raha vao hitan’ireo olon-dratsy fa nitolefika ilay lehilahy, dia lasa nandeha izy ireo. Araka izany toa tsy tonga hangalatra ry zalahy. Vaovao hafa koa no hilazana fa, nisy nahita avy any ambony rihana ny fandehan-javatra ka ireo no nanao izay nanidiana ny varavarana mandeha any.
nangonin’i r.s.