Sambokely iray nitondra mpandeha no fantatra fa rendrika tany amin’ny vavaranon’i Betania, any Morondava, tamin’ny sabotsy teo tokony ho tany amin’ny efatra ora tany. Raha ny loharanom-baovao voaray ny andron’ny loza, dia mahatratra hatrany amin’ny 18 ny olona maty tamin’ity loza ity. Ary mbola misy mpandeha tsy hita ka karohina. Etsy an-daniny, ny vaovao farany voaray avy any an-toerana no nilaza, fa efa tafakatra hatrany amin’ny 28 ireo namoy ny ainy. Olona 40 eo no tao anatin’ity sambokely avy nandevina tany Belo-sur-mer ity. Hitodi-doha handeha hody ireo olona ireo no izao tra-doza izao. Mpianakavy avokoa ireo tao anaty botry. Nisy hatrany amin’ny fito fianakaviana iray, araka ny vaovao voaray. Nisy ihany koa ramatoa niaraka tamin’ny zanany kely niara-maty.
Misy razana mbola karohina. Nisy olana teo amin’ny motera teny an-dranomasina. Voatery tsy maintsy nijanona ilay izy, nefa tamin’io fotoana nanomboka nisamboaravoara be ny ranomasina, ka navadiky ny onja ilay sambokely, ary dobo avy eo noho ny vesatra tafahoatra. Tsy dia lavitra intsony ny morontsiraka no niseho ny faharendrehana. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa, vehivavy sy zaza ny ankamaroan’ireo maty, tsy nahatohitra ny herin’ny rano na dia nisy aza ireo niezaka nanavotr’aina. Mbola misy tamin’ireo mpandeha no tsy hita hatramin’izao, izay tsy fantatra na maty na velona ka mbola karohina. Manaraka fitsaboana kosa ireo sisa velona izay naratra.
Eric Man