- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Misy mangalatra ny “baterrie” amin’ireo andrin-jiro

Fenoarivo : Misy mangalatra ny “baterrie” amin’ireo andrin-jiro

Isan’ny fotodrafitrasa mba nampiova ny hatsaran’ny tanàna teny Fenoarivo-Ampitatafika ny fisian’ireo andrin-jiro mandeha amin’ny masoandro ary nisy akony rahateo amin’ny fiovan’ny toe-tsaina, satria hita maso ny fahadiovan’ny teo amin’ny manodidina hatramin’izay nampazava ilay toerana izay. Izao anefa dia manomboka ringana tsikelikely izany, satria efa tonga indray ny olon-dratsy mpangalatra. Lavahan’ireo ny andrin’ireo jiro mba hahazoana ny “batterie” ao ambaniny. Vokatr’izany dia maty ny jiro, satria tsy mifahana intsony ny herinaratra entin’ireo fitaratra izay manangona ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.  Miverina maizina tsikelikely indray eny an-toerana ankehitriny ary ny tena atahorana dia hitontona tanteraka ao anatin’izany raha tsy misy ny fepetra maika sady henjana raisin’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny vaovao azo dia efa am-polony amin’ireo andrin-jiro no maty ankehitriny. Mitombo isan’andro na ny marimarina kokoa isan’alina anefa izany ary samy mahatsikaritra izany avokoa ny mpampiasa iny làlam-pirenena iny. Maro ny fotodrafitrasa lasan’ny mpangalatra : poteau vita amin’ny vy mpanondro làlana, vy amin’ny tetezana, fitaratra amin’ny publiphone… Izao koa dia ny “batterie” indray no lasibatra. Izany rehetra izany anefa tsy dia hoe azo avadika vola eo no ho eo, ary raha misy mividy aaza dia inona fa vola kely. Mahatonga saina ny maro hoe sao dia lasa kolontsaina eto an-drenivohitra ny fangalaràna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser