- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAlakamisy Fenoarivo : Taxibe nivadika, mpandeha 18 naratra mafy

Alakamisy Fenoarivo : Taxibe nivadika, mpandeha 18 naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny Alakamisy Fenoarivo, omaly vao maraina. Taxibe iray mampitohy an’iny faritra iny, amin’ny aty an-drenivohitra no nivadika ambony ambany. Vokany, mpandeha 18 tao anatiny no indray naratra mafy, anisan’izany ny mpamily. Hatairana avokoa ny an’ireo mponina rehetra teny amin’ny manodidina, omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina teo ho eo, raha naheno feon-javatra nidoboka mafy dia mafy. Nandriaka ihany koa ny rà nony avy eo, nanaraka ny rangotry ny vy teny amin’ny arabe. Raha nifarana tamin’ny tampony indray ny dian’ity taxibe iray teny an-toerana. « Tsy fantatra mazava hatreto aloha izay tena nahatonga ny loza, hoy ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Mbola tsy afaka nanao ny fanadihadiana tamin’ny mpamily izahay, satria mbola maratra mafy, ary nentina notsaboina eny amin’ny hôpitaly Fenoarivo izy ». Vinavinan’ny rehetra, araka izany, ny fandehanana mafy. Ary tsy misy afa-tsy izay tokoa raha zohina, araka ny fahitana ny fivadiky ny fiara. Malaza loatra amin’ny fandehanana mafy tokoa mantsy ireo fiara mpitatitra amin’iny faritra iny, fa indrindra ihany koa ny fifanenjehana. Nentina novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly Fenoarivo avokoa moa ireo mpandeha naratra, araka ny fanazavana azo hatrany. Mety hahafay ireo mpitatitra ve izao loza izao ? Tsy any amin’iny faritra iny ihany mantsy no mampikolay ny olona ny afitsok’ireo taxibe isan-karazany, amin’ity fandehanana mafy ity. Asa raha mba ao an-tsain’izy ireo fa ain’olona maromaro anie no eo am-pelatanany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser