- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Roa vavy tsy ampy taona, tsy hita 10 andro nanaraka...

Toliara : Roa vavy tsy ampy taona, tsy hita 10 andro nanaraka lehilahy

Ankizivavy roa tsy ampy taona (14 sy 15 taona) ; izay mbola mpianatra no nanjavona tsy hita popoka ary tsy nody tany an-tranon’ny ray aman-dreniny, nandritra ny 10 andro. Rehefa tafaverina izy ireo afak’omaly, vita ny sitrapon’ireto voatavo efa mifandraka ireto ka nofotorana dia nilaza fa nanaraka lehilahy sipany tany Saint-Augustin, kaominina iray 30 km atsimon’i Toliara.
Nilaza ny tsy hanaiky mora izao ny ray aman-dreniny, fa hitory an’ireo tovolahy nitondra ny zanany. Ny nahagaga ny rehetra nanatrika anefa, ny nilazan’ireto ankizivavy roa tsy ampy taona tsy voafehin’ny ray aman-dreniny ireto intsony, fa « raha gadrainareo izy roalahy sipanay ireto dia higadra hanaraka azy any izahay, satria tianay ireo ». Nangasihasy ireo ray aman-dreny menatra olona. Raha ny toy izao no mitohy dia potika tanteraka ny hoavin’ny ankizivavy ; izay lasa kely veta. Raha ny loharanom-baovao, dia mitombo isa saika isan’andro ireo mpianatra mivarotena ao Toliara. Lasa entam-barotra ivelomana ny zazavavy tsy ampy taona.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser