- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkatso : Tovovavy mpianatra, naratra mafy nisy nidaroka tamin’ny hazo

Ankatso : Tovovavy mpianatra, naratra mafy nisy nidaroka tamin’ny hazo

Sotasota, fanakorontanana  sa  asan-jiolahy tsotr’izao ? Tovovavy mpianatra iray eo anivon’ny sekoly mivohy ny serasera eny amin’ny Anjerimantolo no naratra mafy, ka tsy maintsy nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly omaly, teny Ankatso. Araka ny fantatra, dia nisy nively tamin’ny hazo ny lohany, raha iny an-dàlana hamonjy ny toeram-pianarany iny izy. Omaly antoandro tokony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo, no nisian’ity trangana herisetra, teo amin’ilay lalan-kely manamorona ilay toerana fantatry ny maro hoe “sous bois”. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo olon-dratsy, raha ny filazan’ireo teny an-toerana. Somary lavidavitra, tany akaiky ny kianja fanaovam-baolina tany ho any no nisy ny  trano fianaran’ity tovovavy ity, ka nindrana an’iny làlana mangina iny izy, hamonjeny ny fianarany. Tamin’izay indrindra anefa no niantefa teny amin’ny lohany ny hazo be. Tsy vitan’izay anefa fa mbola natosik’ireo olon-dratsy, hianjera anaty hantsana ity mpianatra ity. Raha ny fanazavana azo, ny antso vonjiny no nahataitra ireo manodidina ka namonjena azy, efa reraky ny rà very. Ka nezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa mahafantatra an’ity tranga ity ny lehiben’ny fandriampahalemana eny an-toerana, raha nanontaniana an-tariby. Saingy mbola tsy nisy, hoy izy, ny taratasy fitarainana tonga tao aminy. Efa fanindroany amin’izao izay no nisy trangana  herisetra amin’ny hazo teny amin’iny faritra Ankatso ity, ka velona ahiahy ireo mponina sy mpianatra eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser