Hatairana ny an’ireto tompony, raha tsy tazana teo an-tokotanin’ny fiangonana izay nandehan’izy ireo ny fiara tsy mataho-dàlana iray, marika Toyota Prado D4D, omaly antoandro teny Andoharanofotsy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa fiara vao avy novidina izy io, ny sabotsy lasa teo. Mbola tokony ho anio aza no hanamboarana ny taratasin’ny fiara rehetra fa taratasy fifampivarotana fotsiny no vita, raha ny fantatra. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary, ka fantatra fa olona iray no notazomina hohadihadiana, ny tompony taloha. Somary hafaha ihany ity halatra fiara ity, raha ny fanazavana avy tamin’ilay olona niaraka tamin’ilay mpividy nijery ilay fiara. Fiara avo lenta, tsy velona raha tsy amin’ny lakileny irery ity fiara ity. “Lakile hafahafa anefa no nomen’io tompony io anay, ary somary mihitsoka ihany kanefa tsy tokony hanao izany. Ambonin’izay, raha vao very ilay fiara, dia tsy azo an-tariby intsony ihany koa ilay mpanera, nivarotra taminay an’ilay izy, izay toa havan’ilay tompony ihany” hoy ny fanazavana. “Lehilahy iray no nitondra ilay fiara, raha ny fitantaran’ny teo amin’ny manodidina. Nanokatra izany tsara tamin’ny lakile, namelona ary lasa, nizotra nianatsimo”. Misokatra avy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro ny filaminana. Handrasana araka izany ny ho tohiny.
m.L