Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo telo lahy sarona niaraka tamin’ny basy tetsy Andavamamba. Naiditra am-ponja vonjimaika, eny Antanimora, izy ireo, ary ny UIR mihitsy no nanatitra ireo voarohirohy teny amin’ny fonja. Raha araka ny vaovaon’ny pôlisy dia niaraka tamin’ny chargeur misy bala efatra io fitaovam-piadiàna io. Eny Anosipatrana no fanamboarana, azy satria piesy vita tanana, ampiarahina amin’ny kojakoja hafa tena izy no manome ilay basy izay mahafaty. Tsy nambara mazava ny tena tanjon’ireo olona amin’ny fitazomana ilay basy. Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no nahafantarana fa saika hoentina hanakorontana teny amin’ny HCC izy io tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Momba izany dia basy telo no nokasaina hanatontosàna an’izany, saingy nilentika avokoa ireo izay nitazona an’izany raha vao nisy voasambotra tao anatin’ilay vondrona mpanakorontana. Miparitaka ny basy eto an-drenivohitra ary efa manomboka voafehin’ny sasany ny fanamboarana izany. Toraka izany ihany koa ny mahakasika ny bala : ireo efa niasa no fenoina vanja indray dia averina ampiasaina. Izany rehetra izany dia manazava fa tsy mitsaha- mikaroka hatrany ny olon-dratsy mba hitovitovizan’ny heriny amin’ny mpitandro ny filaminana. Ambana lehibe ho an’ ny fiainan’ny olom-pirenena raha toa ka mitombo ny isan’ny olona mahafehy ny fanamboarana basy. Mila miditra lalindalina anefa ny mpanao fanadihadiana vao tonga any amin’ny mpanao basy na koa ireo mpanaparitaka an’izany, na basy tena izy izany na basy vita gasy. Na izany aza efa dingana lehibe iray no vitan’ny UIR tamin’ity fisavana ireo nahatratrarana basy ity.
D.R