Nanao fisafoana teny amin’ny faritra Antohomadinika ny polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) tamin’ny zoma lasa teo. Tamin’izany no nahatratrarana basy iray tao anaty moto sy nahazoana nisambotra bandy miisa dimy. Saika hanafika mpivarotra atody teny Antohomadinika izy ireo. Ankoatra izany, vaovao voaray avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahalalan’ny polisy fa misy olona mikasa hivarotra basy eto an-drenivohitra. Tratra teny Andavamamba ny roalahy niaraka tamin’ny basy. Taorian’ny fanadihadiana, voasambotra ihany koa ny namany iray. Araka izany, tamin’ny faran’ny herinandro, basy PA roa no saron’ny zandary tany amin’ireo jiolahy.
Ilay teny Antohomadinika dia fantatra fa saika hoentiana hanafihana mpivarotra atody eny an-toerana. Nahafantatra ireo mpandroba fa misy vola hatrany amin’ny 15 tapitrisa ariary vidin’atody teny. Efa fantatry ny polisy anefa ny teti-dratsin’ireo bandy koa dia natao ny fisavana. Nandeha moto sy nitondra fiara ry zalahy. Rehefa nosakanana dia tamin’izany no nahazoana ilay basy PA miaraka amin’ny bala efatra. Teo no ho eo moa dia nisy ny fisamborana. Nisy ny afaka nandositra nefa moa azo ihany avy eo. Momba ilay fikasana hivarotra basy indray dia hita tany amin’ireo voralahy ny PA nisy bala efatra tao anatiny. Raha ny voamarika tamin’ireo basy P.A roa sarona ireo dia basy vita gasy mifangaro amin’ny tena izy, izany hoe ny vodin’ilay basy dia tena vodina P.A tena izy fa vita tanana kosa ny ambiny, ny « boite chargeur » kosa dia vita tanana manontolo ary ny bala indray dia balana P.A efa nipoaka no naverina nosesehina vanja. Omaly alatsinainy no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.
Nangonin’i r.s.