Lehilahy iray no fantatra fa sendra mpanendaka rehefa avy naka vola tany amin’ny banky, tamin’ny talata la teo. Tsy izy irery anefa tamin’izany, fa nisy ihany koa olona hafa efa fantatr’ireo jiolahy fa haka vola amin’ny toerana fangalana izany ary dia nitondra faisana mihitsy. Tokony ho mailo hatrany ireo rehetra mandeha eny amin’ny toerana fangalana vola, indrindra ireo be antitra mandeha irery. Fotoana handraisan’izy ireo vola mantsy izao ankatoky ny fety izao. Ireo jiolahy toa tsy manavaka, na lahy na vavy, fa izay fantany fa misy vola dia ataony avokoa. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa nisy mihitsy aza ny fangalana ankeriny nataon’ireo olon-dratsy teny Ankazomanga. Tsy vitan’ny nalain’ireo jiolahy ny vola fa mbola nentina nanraka azy ilay olona ary tsy novotsorany raha tsy efa lasa lavitra. Santionany iray ihany izany fa ny tena mahavariana amin’ny asan-jiolahy eto amintsika dia sahy mamono mahafaty izy ireo raha vao misy mitady hanohitra azy. Tsy ela va tamin’ny afak’omaly teny amin’ny faritr’Ivato no nitifiran-dry zalahy olona iray izay maty mihitsy moa. Handroba no nahatongavan’ireo olon-dratsy. Namono olona anefa ry zalahy avy eo.
r.s.