- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Ankizilahy 14 maty main’ny herinaratra

Ambatondrazaka : Ankizilahy 14 maty main’ny herinaratra

Ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora, tany Mahatsinjo Station Alaotra ; ankizy lahy 14 taona no maty main’ny herinaratra. Voalazan’ny vaovao fa, nikarainkona mihitsy izy. Nilalao baolina teny amin’ny arabe ny ankizy maromaro. Lasa tany amin’ny sisiny anefa ilay baolina ka nandeha naka an’iny ity ankizy ity. Tamin’izay fotoana izay indrindra no voarainy niaraka tamin’ilay baolina ny tariby mpitondra herinaratra « haute tension » nilatsaka tamin’ny tany. Tonga dia may izy ary maty afaka fotoana vitsy. Samy tsy nahamarika ny fisian’io tariby io ny mponina.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser