Ny herinandro lasa teo, lehilahy lehibe iray 60 taona mpivarotra saribao, no nanao hadalana nanolana zazavavikely 13 taona, tany amin’ny faritra Ambatondrazaka. Ny vaovao no nahafantarana fa, notambatambazany vola ariary 100 ilay zaza. Toa nandeha anefa ilay vavikely ka tonga dia nentiny tany ambany garana ary nambanany antsy. Vitany tao ny filan-dratsiny. Rehefa fantatra ny zava-niseho, dia raikitra ny fisamborana an’ity olona tsy misy eritreritra ity.
Janus