Rangahy iray, malaza ratsy amin’ny fivarotana rongony, no saron’ny mpitandro ny filaminana teny amin’iny faritra Antehiroka iny. Rehefa nidina teny ny pôlisy, dia tsy vitan’ny rongony fotsiny no sarona tao aminy, fa mbola nahitana basy ihany koa. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, araka ny fampitam-baovao hatrany, fa nahafan’ireo mpitandro ny filaminana nilaza fa isan’ny mpikambana ao anaty tambajotran-jiolahy ity lehilahy ity; izy sy ny namany iray hafa. Fantatra mantsy fa lehilahy iray no tra-tehaka teo am-pifohana rongony. Ity farany ity indray avy eo no nanoro io io lehilahy izay mipetraka eny Antenibe Antehiroka io, ary mpamatsy rongony azy. Nanao avy hatrany ny fisavana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Fonosana rongony roapolo mahery teo, no sarona tany aminy, niaraka tamin’ity fitaovam-piadiana vita avy any ivelany sy bala telo ihany koa. Tamin’ny alàlan’ireto fitaovam-piadiana sarona ireto, no nilazan’ireo mpanao fanadihadiana fa, jiolahy saika handeha hanao ny asa ratsiny ireto voasambotra ireto, ary mifoka rongony aloha izy ireo alohan’ny hanavany izany. Tsy nijanona hatreo anefa, fa ity lehilahy teny Antehiroka ity indray avy eo no nilaza, tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro ny filaminana hatrany, nanoro ny mpamongady ireto zavamahadomelina ity, izay mipetraka eny amin’iny faritr’i Mahazo iny. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany hafa, raha ny vaovao voaray hatrany. Omaly no natolotra teo anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto.
m.L