- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Mpisoloky roa voasambotra, teratany vahiny ny iray, 80 tapitrisa ariary...

Ankorondrano : Mpisoloky roa voasambotra, teratany vahiny ny iray, 80 tapitrisa ariary no lasa

Fisolokiana avo lenta, ary vola maherin’ny 80 tapitrisa ariary no lasan’ny mpisoloky tao amin’ny orinasa iray. Saron’ny mpitandro filaminana tetsy Ankorondrano ny roalahy, ny alarobia lasa teo. Samy efa mpamerin-keloka izy ireo, ary efa avy nigadra avokoa, teratany vahiny ny iray. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia sarona teo am-pividiana entana izy ireo. Entana mitentina eo amin’ny 70 tapitrisa ariary teo ho eo no novidiany tamin’ny orinasa iray tetsy Ankorondrano. Taratasy hosoka avokoa, amin’ny anaran’olon-kafa, no saika nampiasain’izy roa lahy ireto tamin’izany. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa taloha kelin’io andro io, ny 28 may lasa teo, dia efa nisy olona tonga tao amin’ity orinasa ity, nividy entana, mitovy tsy misy valaka tamin’ny nataon’ireo olon-dratsy ireto : kodiarana sy menaka an-tapitrisany maro. Tamin’ny voalohany io dia izany Isaac izany no tonga tao amin’ilay orinasa. « Tonga mba hividy menaka fiara sy Pneu amin’ny alalan’ny fandoavam-bola tsikelikely, na « traite ». Nampiasa taratasy maromaro toy ny « patente » sy « Carte Statistique » ary « Registre de Commerce » amin’ny anarana ramatoa iray, izay lazainy fa mpiara-miombona antoka aminy. Nampiasa ny kaontin’io ramatoa io koa izy tamin’izany. Menaka mitentina 42. 204.000Ar sy pneu 21.024.108Ar no nalainy tao amin’ity Orinasa ity. Naloany teo noho eo ny 9.484.200Ar ka ny 53.743.892 sisa haloany tsikelikely »  hoy ny vaovao. Nony haka an’io vola io tany amin’ny banky anefa ilay orinasa vao hita fa voasoloky, satria dia hosoka avokoa ireo taratasy teo am-pelatanany. Tapa-bolana mahery kely taorian’izay dia io nipoitra io izy roa lahy ireto, izay angamba naman’itsy voalohany. Noraisim-potsiny, araka izany, izy ireo. Tsy vitan’ny tao amin’ity orinasa ity ihany moa no efa voan’ireto roa lahy ireto, fa efa nahazo 3 tapitrisa ariary tamin’ny orinasa mpivarotra finday avolenta, teny Ankorondrano ihany koa izy ireo ny 4 jona lasa teo. Fantatra fa efa fanaon’ireto olon-dratsy ireto ny fisolokiana volabe. Efa nigadra tany Antanimora mantsy ilay lehilahy iray tamin’ny taona 2013. Ilay namany teratany vahiny kosa efa indroa tany amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, noho ny resaka taratasim-bola tsy misy antoka. Mbola mitohy ny fanadihadiana, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser