Ankizivavy vao 12 taona monja no naolan’ny lehilahy iray 55 taona, tany amin’ny kaominina Mahaboboka Sakaraha, ny alin’ny alarobia teo. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nilaza ho haka vady an’ity zazavavy ity tamin’ny ray aman-dreniny io raim-pianakaviana io. Misy anefa ny fombafomba samihafa tsy maintsy hatao vao afaka maka vady azy ity rangahy ity. Tsy nahandry izany ity farany fa nanampatra ny filan-dratsiny. Nitantara ny zava-nihatra taminy tamin’ireo nahitany masoandro ilay ankizivavy nony naraina ny andro. Raikitra ny kabary ambany kily noho ny fomba mamohehatra tsy fananjana ny fomban-tany nataon’ilay mpanolana.
Nandoa omby 5 sy vola 4 hetsy ariary. Voasazy nandoa omby dimy sy vola efatra hetsy ariary ny tenany. Anisan’ny mampirongatra ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo ny habibiana atao amin’ny ankizy tsy ampy taona, amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny, ny fomban-tany, satria mbola mahazo laka ny tokantranomaso fiandry hatramin’izao. Izany hoe : mbola kely ny zazavavy, misy vao teraka aza, dia efa misy mitily ho vady sahady.
Eric Man
Sakaraha : Zazavavy 12 taona naolana rangahy 55 taona
Articles qui pourraient vous intéresser