- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy-Bemasoandro : Vehivavy 20 taona tratra nanary fatin-jazakely

Itaosy-Bemasoandro : Vehivavy 20 taona tratra nanary fatin-jazakely

Ny alakamisy faha-18 jona, vehivavy iray nitondra harona « sachet » no nitady trano fivoahana teny Antanety Bemasoandro Itaosy. Somary kaodikaody ny fihetsiny ka nahamailo ireo andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Nanara-maso ny fihetsiny avy hatrany ny manodidina ka nampandroso azy tao amin’ilay toerana voalaza etsy ambony. Ny nahagaga anefa dia tsy nitondra ilay  harona ity vehivavy nony nivoaka avy tao. Taitra tamin’izany ireto mpanara-maso. Nizara roa izy ireo ka ny sasany nisava ny tao amin’ilay trano nivoahany ary ny sasany kosa nanenjika azy. Taitra ireo nahita fa fatin-jazarano, lahy kely eo amin’ny enim-bolana an-kibo eo ho eo, no hita tao anatin’ilay harona sachet. Tonga dia nampandre ny zandary tetsy Bemasoandro izy ireo tamin’izany ka nanolotra ity vehivavy ity. Fantatra tamin’ny famotorana fa vao avy nanala zaza izy ary mbola misy ahitra tavela tao an-kibony rehefa avy nojeren’ny dokotera izy.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser