- Publicité -
dimanche, août 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Voatsatoka antsy ny mpanampy, lasa ny vola iray sakaosy

Andravoahangy : Voatsatoka antsy ny mpanampy, lasa ny vola iray sakaosy

Tsy vola iray baoritra akory fa iray sakaosy. Izay no lasan’ny jiolahy tetsy Andravoahangy ny antoandron’ny alakamisy teo. Amin’ny roa ora, fotoana mampifanaretsaka ny olona, satria sady misy tsena eo an-toerana no feno mpivarotra kojakojan-tokatrano sy fiara ihany koa, no nigadona tao amin’ny toeram-pivarotana, izay an’ny teratany karàna iray, ny jiolahy. Dimy lahy mitazona basy sy antsy, raha araka ny fanazavan’ny olona teny an-toerana, no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana. Vao nivoaka tao amin’ilay trano ilay lehilahy, izay niaraka tamin’ny sakaosy roa, dia voaambana basy. Taorian’izay, raha saika hanohitra izy, raha ny fanazavana azo teny an-toerana hatrany, dia notsindromin’ireo olon-dratsy antsy avy hatrany. Tao amin’ny lamosiny no niantefan’izany. Rehefa lavo tamin’ny tany io farany dia nalain’ireo jiolahy ny iray tamin’ireo sakaosy. Nentina teny amin’ny hopitaly Hjra ny naratra ary tsy nisy fantatra intsony kosa izay lalana nandehanan’ireo jiolahy. Nisy ihany ny nahita ny zava-nitranga rehetra saingy tsy afaka nanampy, satria nambanan’ireo mpanafika tamin’ny basy avy hatrany. Nazava ary ny lalan’ireo nandritra ny fitsoahana. Omaly dia mbola notsaboina tao amin’ny hopitaly ilay iray naratra vokatr’ity fanafihana niharo herisetra ity. Vola iray baoritra entina amin’ny fiara, vola roa sakaosy entina mivezivezy. Miteraka resabe hatrany izany fanao izany ary lasa adihevitra politika aza izany ankehitriny, satria misy ny milaza fa tsy misy lalàna mandràra ny fivezivezen’ny vola, ao koa ny milaza fa vola maloto matoa tsy ampandalovina banky. Eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana indray dia lasa manome vahana ny jiolahy izany fanao izany. Matetika mantsy dia mitsiry ny hevi-dratsy ka raikitra ny firaisana tsikombakomba rehefa mahita ny volabe, indrindra ao anatin’izao fahantran’ny firenena izao. Any ivelany dia misy ny lalàna mahakasika ny fitazomana vola. Raha sendra mihoatra ilay fetra dia misy avy hatrany ny fanadihadiana  sokafan’ny mpitandro ny filaminana mahakasika izay loharano niavian’izany. Eo no tsy maintsy mamotsy vola ny “mafia” mba tsy hahatratrarana mora foana ny vola ahodiny. Eto indray dia mbola malalaka tsara ny fivezivezen’ny vola, saingy ny aza mba tratran’ny mpangatra fotsiny…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser