- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Fanafihana sy fanolanana, olona dimy voasambotra

Soamanandrariny : Fanafihana sy fanolanana, olona dimy voasambotra

Nihanahazo vahana tokoa tao ho ao izay ny fanafihana miharo fanolanana teny amin’iny faritra Soamanandrariny sy manodidina iny. Teo anatrehan’izay indrindra ary, fantatra fa olon-dratsy niisa dimy, telolahy ary vehivavy roa, no voasambotry ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Nambara fa isan’ny tompomarika sy atidoha mikotrika ireo vaky trano, fanafihana mpivarotra sy fanolanana nisesisesy teny amin’ireo faritra Andraisoro, Ampasampito, Tsarahonena sy ny manodidina izy ireto. Tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao azon’ny mpitandro filaminanan no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto, izay noraisim-potsiny avokoa teny Anosibe, Manarintsoa ary Ankadindramamy iny. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny bala fitondran’izy ireo manafika, niaraka tamina fitaovam-piadiana maromaro sy ody gasy. Ambonin’izay ireo fitaovana sy kojakojan-tokantrano isan-karazany azon’izy ireo. Araka ny fantatra hatrany dia naman’ireo « bande de 15 » mpamely iny faritra iny izy ireto, ary mety ho tompomarika tamin’ireo fanafihana maromaro, namoizana ain’olona, fotoana vitsy lasa izay. Ireo lehilahy no tena manao ny asa ratsy, ary ny iray amin’izy ireo no tena adalam-piraisana, tompon’ny fanolanana. Mpanampy azy amin’izany asa ratsy izany kosa ireo vehivavy voasambotra. Mbola misy naman’izy ireo karohina, raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy mijanona hatreo, araka izany, fa mbola mitohy ny hazalambo atao amin’ireto olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser