Tamin’ny sabotsy faha-20 jona, nahazo vaovao ny polisy avy ao amin’ny Sécurité Urbaine de Tananarive (SUT) fa misy andian’olona mikasa hanao fanafihana eny amin’ny faritra Anosipatrana. Natao ny vela-pandrika ka tamin’izany no nisamborana olona roalahy, ny iray 36 taona ary ny faharoa 62 taona. Rehefa nohadihadiana ny tena zavatra marina nokasainy hatao izy ireo dia nanambara ny zava-nisy. Nanana olana izy ireo satria simba ny basy saika hampiasainy. Tsy nanoro ny toerana nasiany ny basy anefa izy ireo raha tsy efa fotoana ela. Efa tsara afina tao ambany kidoro tany amin’ny tranon’ny iray ilay izy. Basy marika MAB miaraka amina fahana vita gasy misy bala telo. Teo dia mbola niteny indray ry zalahy fa an’olona hamboarina ity fiadiana hita ity ka eny La Réunion kely no mipetraka ny tompony. Nampiany izany fa basy tsy mipoaka ilay izy ary tsy entina hanafihana koa. Ilay antsoina hoe Tonton Lince dia fantatra fa manana dosie maloto any amin’ny polisy ary efa nigadra teny Antanimora ny taona 1998.
Araka ny filazan’ny polisy, toa anatin’ny tapa-bolana fotsiny dia basy efatra no tratran’ny avy ao amin’ny SUT Tsaralalana ary olona sivy no voatana vonjimaika any am-ponja ka eny Tsiafahy ny iray.
r.s.