- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana tao amin’ny Sodirex : Voasambotra ilay tena atidoha

Fisolokiana tao amin’ny Sodirex : Voasambotra ilay tena atidoha

Niampy iray indray ny voasambotry ny pôlisy tamin’ilay fisolokiana volabe tao amin’ny orinasa Sodirex, tetsy Ankorondrano. « Ny sabotsy maraina, lasa teo, dia nofandrihana tamin’ny alalan’ilay namany teny Analamahitsy i Isaac ka tra-tehaky ny pôlisy avy ao Ankorondrano”, hoy ny fampitam-baovao. Ity olona fahatelo voasambotra ity no nolazain’ireo mpanao fanadihadiana fa isan’ny atidoha nikotrika ilay fangalana volabe tamin’ny alalan’ny taratasy sandoka tao amin’ilay orinasa. Raha tsiahivina, tokony ho iray volana lasa izay, nisy olona antsoina hoe Isaac, tonga nividy entana tao amin’ilay orinasa, izay mitentina eo amin’ny 70 tapitrisa ariary teo ho eo. Taratasy hosoka no nentin’ity olona nampiasaina tamin’izay fotoana izay, niaraka tamina kaontin’olon-kafa. Fotoana fohy taorian’izay dia niverina tao amin’ilay orinasa ny teratany karana iray sy malagasy, nividy entana nitovy tamin’itsy voalohany, ary mbola nanao ny fanaon’ity voalohany ihany. Noraisim-potsiny izy roalahy ireto, izay efa tena mpisoloky gaigilahy, ary ireo tratra ny sabotsy io ilay namany hafa. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo, raha ny vaovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser