- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahamasina : Saika nianjera ny helikopteran’ny Tafika

Mahamasina : Saika nianjera ny helikopteran’ny Tafika

Nidina ambany dia ambany ilay helikoptera ary raha ny fijerin’ny olona avy aty ambany dia saika nitrosona izany. Nandritra ny famerenana faobe farany ny matso tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina no nitrangan’izany omaly. Nisahotaka ireo mpitandro ny filaminana marobe ka vokatry ny fifanosehana aza dia nisy iray naratra, raha araka ny vaovao azonay. Natahotra mafy ireo mpanao famerenana ndrao hilatsaka ka hidona amin’ny tany ilay fitaovana. Vitan’ny mpanamory ihany anefa ny nanarina izany ka mba tafapetraka tsara ilay helikoptera. Teo vao samy nisioka ny rehetra, satria  samy nahatsapa ny loza mety ho nitranga raha sanatria ka tsy voaarina izany. Nahagaga ny maro teo ampovoan-tanànan’Antananarivo ihany koa ny nahita helikoptera nivezivezy ary nisy tady lavabe, toa ireny harato goavana ireny, nisaringotra taminy. Ny tena nandalo tao anatin’ny sain’ny maro, ary izay rahateo ny resaka heno teny an-dàlana, dia ny hoe raha sanatria ka misaringotra amin’ireny trano avobe eto an-drenivohitra ireny ilay helikoptera dia asa fotsiny izay nitranga. Saingy inoana fa efa nanao kajikajy momba an’izany ny mpanamory matoa tsy nisy ny loza nitranga. Efa antitra ve ny helikoptera Alouette izay nampiasaina omaly sa kosa olana teo amin’ny fanamoriana? Na ny voalohany na ny faharoa, heverina fa fahendrena aloha ho an’ny Tafika ny tsy mampiasa izany mandritra ny matso raha sanatria ka misy ny tsy fahatomombanana. Maro loara ny fahavoazana raha sanatria ka misy ny loza mitranga ary tsy vao voalohany rahateo no nisy fiaramanidina nitrosona nandritra ny matson’ny 26 jiona. Toa ilay iray izay nihantona teny ambony hazo tamin’ny taona 90 tany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser