Ny Fikambanan’ny Tera-dRabetrano ao Ankadivoribe Atsimo, Antananarivo Atsimondrano, dia anisan’ireo Fikambanam-pianakaviana tranainy indrindra eto Madagasikara. Tamin’ny 07 May 1934 tokoa no niorina ny Fikambanana ary navoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana tamin’izany fotoana izany. Rabetrano dia iray tamin’ireo manam-pahaizana Malagasy tamin’ny andron-dRanavalona Voalohany.
Noho ny fahatratrarana ny 26 Jona 2015, fetim-pirenena Malagasy, ary araka ny fanaony isan-taona, dia tsy nanadino ny toerana niaviany ny Tera-dRabetrano. Koa tamin’ny sabotsy 20 Jona lasa teo, ny Fikambanana izay notarihan’ny Filohany, Atoa José Andrianjanaka, ary notronon’ny mpikambana ao amin’ny Birao sy ny Filoham-boninahitra roa, dia nanolotra fitafiana, pâtes alimentaires, savony ary Sûr’Eau ho an’ny olona osa ara-pivelomana miisa 260 avy ao Ankadivoribe Atsimo.
Ireo olona ireo dia mitsinjara ho zokiolona sahirana, zaza kamboty ary vehivavy mananontena sy osa ara-pivelomana izay miahy zanaka miisa iray ka hatramin’ny valo.
Nangonin’i Dominique R.