Ireny mpanatitra sy mpizara fahana ireny indray amin’izao fotoana izao, no lasibatry ny jiolahy, tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Ny asabotsy lasa teo, mpivarotra fahana avy nanangona “versement” no notafihan’ny jiolahy, tamin’ny toerana roa samihafa teto an-drenivohitra, teny Andraisoro Tsarahonenana, ary teny Anosibe. Saika mitovy avokoa ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy, izay eo amin’ny efa-dahy eo. Raha ilay teny Tsarahonenana, dia efa nandrasan’izy ireo tsara ny fiavin’ity mpanatitra fahana ity. Avy hatrany dia nitangoron-dry zalahy ity tovolahy, izay nitondra môtô, araka ny filazan’ireo manodidina. Tsy nisy nanampo ireto farany, fa toy ny andiana tanora misangisangy eny an-toerana izy ireo. Nony lasa ireo olon-dratsy vao niantso vonjy ilay tovolahy. Voambana sabatra, ka tsy afa-nanoatra. Lasa avokoa ny vola rehetra tany aminy, mitentina 4 tapitrisa ariary tany ho any, raha ny fantatra. Dia tranga toa izany ihany koa no niseho teny Anosibe, ny harivan’io. Vola an-tapitrisany maro ihany koa, niampy fahana no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Ary tsy vitan’izay fa mbola naratra mafy, voan’ny sabatra ilay tovolahy mpanatitra fahana. Tamin’ireo trangana tsy fandriampahalemana ireo dia fantatra, fa efa nampandrenesina ireo mpitandro ny filaminana teny amin’ireo faritra ireo. Ary efa nisy ny olona iray voasambotra, raha ny fantatra hatrany.
m.L