- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Saofera nosamborina fa nandona fiarana minisitra

Toamasina : Saofera nosamborina fa nandona fiarana minisitra

Fiara tsy mataho-dàlana iray izay avy nanatitra mpizahatany hoany Foulpointe ka niverina taty Toamasina no sendran’ny fiara iray ; izay nandeha mafy ka saika niteraka lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy na inona na inona simba na koa olona naratra, raha araka ny fanazavan’ilay mpamily. Ny roa tonta aza samy niala teo amin’ilay toerana ary samy nanohy ny diany. Tampoka anefa, nosakanan’ny zandary ilay fiara tsy mataho-dàlana ary nasaina nidina ny mpamily. Nolazaina fa nandona fiaran’ny minisitra iray dia nitsoaka izy. Notazonina tany amin’ny biraon’ny zandary nanomboka teo ary nanokafana fanadihadiana. Rehefa nozohina ny raharaha, dia fantatra fa tsy fiaran’ny minisitra ary tsy misy idirany akory ny momba io raharaha io. Zanaky ny kandidà ho depiote iray tany atsimo ilay nisetrasetra sy nanonona ny anaran’ny minisitra iray. Dia matiny lolo tamin’izany ny mpitandro ny filaminana; izay tonga hatramin’ny fisamborana mihitsy. Arahina ny raharaha…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser