Raha ny tatitra nataon’ireo pôlisy teto an-drenivohitra, tetsy Tsaralalàna, ny sabotsy lasa teo, dia nilamina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetim-pirenena. Na izany aza anefa, nisy teny ho eny, raha tsy hiteny afa-tsy teny amin’iny faritra Ankadindramamy iny, ny fisian’ireo andian-jatovo maromaro, nanakorontana, namono, nanendaka ireo mpanao harendrina tratra hariva, ny 25 jona lasa teo. Nisy tamin’ireo andian-jatovo no voasambotra, raha ny fanazavana azo hatrany. Ary tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nilazan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, fa nisy olona nanakarama izy ireo, hanao herisetra tamin’io alina io ary tsy mifidy fa amin’izay olona sendra azy ireo fotsiny. Raha tsiahivina kely dia nihaodihaody teny amin’ny manodidina, ary manao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Ankadindramamy, nanaraka ny lalam-pirenena iny ireto andian-jatovo ireto. Lasibatra tamin’izany ireo tavela alina tany amin’ireo fety aman-danonana isan-karazany tany Analakely sy Anosy tany. Ankoatr’izay dia teo ihany koa ny fisian’ilay baomba tratra teny amina roalahy, tetsy Namontana. Raha ny momba ity farany ity, dia fantatra araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitry ny pôlisy hatrany, mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izy ireo. Mbola voatazona eny amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava hatrany ireo roalahy voarohirohy tamin’ity resaka ity. Misy ihany koa ny olona mbola karohina, izay tao ambadik’iny raharaha iny hatrany. “Efa misy ny hirika azo amantarana ny niavian’ireo zavatra saika hapoaka ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.
m.L