Teratany vahiny iray tao anaty fiara no notafihan’ny bandy efa-dahy mirongo zava-maranitra, omaly teny Isotry. Vola mitentina 3 tapitrisa ariary teo ho eo no lasa. Tsy nisy afa-nanoatra ireo olona nahita an’ity tranga ity. Raha ny nambaran’izy ireo mantsy dia somary nisy fitohanana kely teo amin’ny lalam-by tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia nanatona tsy am-pisalasalana an’ity fiara tsy mataho-dalana ireo tontakely ary niezaka nisokitra ny varavaran’ny fiara, sy nandrahoana ity teratany vahiny ity. Angamba, hoy hatrany ireo nanatri-maso, efa nahazo loharanom-baovao tany ho any ireo olon-dratsy ireo, satria vantany vao nisokatra ilay varavaran’ny fiara dia hitan’izy ireo tsara ny sakaosy nisy ilay vola. Nitsoaka toy ny tsy teo ireto olon-dratsy ireto vao vitany ny asa ratsiny. Niampanampana tsy nahita haleha kosa tetsy an-danin’izay ity olona voatafika.
m.L