- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Raharaha « bois ronds » , rangahy iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Anosizato : Raharaha « bois ronds » , rangahy iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Omaly hariva, lehilahy iray teny amin’iny faritra Anosizato iny no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Naratra mafy ary voatery nalefa haingana tany amin’ny tobim-pahasalamana. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana dia voarohirohy ho isan’ireo mpively « bois rond » ity rangahy ity. Mbola teny aminy tokoa io fitaovana io, ka izay no nampiakatra ny hatezeran’ny olona. Nambara mihitsy aza moa tamin’izay fa efa nisy ny olona tratrany talohan’izay fotoana izay, ary naratra mafy. Raikitra ny fifanenjahana ary tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy tratran’izy ireo, teo akaikin’ny tetezana teo. Daroka sy vono, ary raha tsy tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, angamba efa ny ain’ity rangahy ity no nanefa. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, hoy ireo zandary tonga teny, no tsikaritra fa toa olona tsy salama saina ity olona. « Mbola tsy afaka manao ny fanadihadiana rehetra ihany koa izahay, satria tsy mbola afaka miteny izy noho ireo vono nahazo azy », hoy ny fanazavana azo. Nentina avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana ity rangahy voalaza fa mpidaroka amin’ny « bois rond » ity, raha nogiazana kosa ilay hazo teny an-tanany, raha ny fantatra. Nandeha ny feo teny an-toerana fa toa hoe fomban’izy ireo rehefa tratra amin’ity asa ratsy ity no manao an’io mody adala io. Ary angamba izany indrindra no tsy nampihemotra ireo fokonolona hamono ity rangahy ity. Tsiahivina fa olona nambara ho marary saina ihany koa ilay voasambotra voalohany teny amin’iny faritra Ivato iny, fotoana vitsy lasa izay, tamin’ity resaka « bois rond » ity hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser