Tratra ambodiomby ilay iray raha taraiky tao anaty tambohon’ilay trano novakiany. Ilay faharoa kosa avy amin’ny fanadihadiana ilay namany no nahazoana azy, omaly maraina. Ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany, no nisaoty ny tambohon’ilay tranon’ny teratany vahiny iray izy roa lahy. Tsy nisy nahatsikaritra izany. Tafiditra tao an-trano rehefa novakian’ireo tsimoramora ny varavarana. Vehivavy mpanampy an-trano no nifanehatra tamin’ireo voalohany. Nokendaina ary tsy afa-nihetsika. Na izany aza anefa dia henon’ilay teratany vahiny izay tao ambony rihana ny efitra nisy azy, ny hiak’ilay mpanampy. Novohaina ny varavaran-kely dia niantso vonjy teo ilay vahiny. Henon’ny manodidina izany. Nifanampy teo ary nisy ny nampandre ny miaramila izay tsy lavitra teo satria eo akaiky eo ihany no misy ny tobin’ny BANI. Tsy ela dia niditra an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana ka nanao ny fisamborana. Natolotra ny zandary ao Ivato ilay lehilahy ary nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana azy. Teo indray io no namboraka ny marina rehetra ka nanoro ilay namany. Tamin’ity vaky trano ity dia ny fahitalavitra fisaka iray no efa nobatain’ireo. Saingy rehefa raikitra ny hiaka sy ny fisamborana dia nazerany tamin’ny tany ka vaky izany. Tsy afa-bela mihitsy ilay olon-dratsy raha sendran’ireo miaramila tsara ofana an’ny BANI. Mbola notazomina ao amin’ny zandary izy roa lahy omaly. Sarona niaraka tamin’ireo ihany koa ny fitaovana nentina nanatontosa ilay asaratsy, isan’izany ny famaky.
D.R