Nanambady ilay ramatoa teo aloha ary efa niteraka ankizilahy kely iray.Nisy olana izy sy ity vadiny ity ka dia nisaraka. Taty aoriana dia niaraka tamin’ny tovolahy iray ilay ramatoa ary ilay zazalahy kely anefa mipetraka taminy. Nafotaka ny fifankatiavana na dia mbola tsy niray trano aza izy roa .Rehefa niresaka izy roa dia tapaka ny hevitra fa hakarin’ilay rangahy ho vady mihitsy ramatoa ka dia efa natao ny fandaminana rehetra. Nambaran’ilay lehilahy anefa fa tsy mila an’io zanany lahy io izy, satria raha mbola eo io dia tsy afaka ny hanam-bady ilay vehivavy izy. Ilay vehivavy anefa efa latsa-pitiavana tamin’ilay lehilahy tamin’io fotoana io. Nandeha teny ny andro, tapaka ny hevitr’izy roa fa hovonoina ilay zazalahy kely izay efa nananika ny 2 taona sy tapany. Ny tsy fahitana io zazalahy io no nahatonga ny resabe teo amin’ny manodidina ka nipaka teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ary nahatonga ny fidinana ifotony. Nosamborina avy hatrany izy roa satria efa nanomboka nikamban-trano ary nanaovana fanadihadiana. Nandà mafy izy roa fa hoe “lasa nanao fialantsasatra ilay zanany fa tsy marina izany hoe novonoina “,Niato kely ny fanadihadiana ka niandry ny andro hiverenan’ilay zaza kinanjo hay lainga avokoa ireo voalazan’izy ireo. Niditra lalindalina ny fanadihadiana ka farany niaiky izy roa fa hoe novonoina ilay zaza fa manelingelina ny fanambadian’izy roa. Narian’izy ireo lavitra ny tanàna ny fatin’ilay zaza ary tsy maintsy natoro ny mpitandro ny filaminana. Mbola hita tao ilay razana izay efa nanomboka simba. Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka izy roa ireto ka asa na ao izy ireo no hanao ny mariaziny sy ny volan-tanteliny fa dia niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina izao tranga sy fanambadiana hafahafa izao; izay tao Bejofo Ambatondrazaka no nitrangany herinandro lasa izay.
Janus R