- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers67ha-Ankazomanga : tovolahy naratra voavelin’ny « bois rond »

67ha-Ankazomanga : tovolahy naratra voavelin’ny « bois rond »

Ny alin’ny 26 jiona teo no nandeha fiara niaraka tamin’ny fianakaviany ity lehilahy iray, tetsy amin’ny 67ha, kanjo sendra ny efa dahy nively sy nanozongozona ny fiarany. Tsy nahatanty izany ity tovolany ka nivoaka mba hiresaka amin’ireto tovolahy efatra. Ompa sy vely hazo anefa no setrin’izany. Tratry ny be noho ny vitsy ity tovolahy ka niantso ilay mpiambina teo amin’ny manodidina.

Tsy niraika anefa ity farany fa sady tsy asany hono izany no tsy andraikiny, ka ny hany sisa azo natao dia ny nitsoaka niditra tao anaty fiara sy nanao tari-dositra. Niantso ny namany moa ireto efa-dahy satria sendra ny nahay azy , ka ny roa tamin’izy ireo no lavo tamin’ny tany fa ny roa kosa nitondra ireto namany avy any hanampy azy ireo. Ny tena olana mantsy, izay olona nandalo dia nihevitra fa ady samy tovolahy mamo no niseho ka tsy nisy niraika fa samy nandalo sy niezaka ny hitsoaka avokoa.

Tokony samy hitandrina daholo ny rehetra, satria ny tampoka tsy mahalehilahy. Ny ratsy ihany koa tsy kely lalana, fa iny tsy manampo na inona na inona iny indrindra ry zalahy no mively sy mila   vaniny, ka raha vao mitady hahatohitra azy dia miantso namana avy hatrany ry zalahy.

Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser