- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVinany Mandoto : Enin-dahy nanafika, olona roa voatifitra, maty ny...

Vinany Mandoto : Enin-dahy nanafika, olona roa voatifitra, maty ny iray

Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao Ankazomiranga, fokontany Ambatofotsikely, distrakan’i Mandoto, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Omby manodidina ny 15 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Enin-dahy monja indray no nanao ny fanafihana tamin’ity indray mitoraka ity, raha ny fanazavana voaray. Tsy nanapoaka basy toy ny fandre matetika ry zalahy, fa dia nalainy nilamina tao am-bala ny omby. Tsy nisy nahare rahateo ny mpiray tanàna tamin’io. Efa tafavoakan’ireo malaso avokoa ny omby vao taitra ny mpiambina. Ity farany no nanaitra ny fokonolona avy eo ary nikasa ny hanara-dia. Tsy nampoizin’ilay mpiambina anefa, fa mbola teo an-tanàna ireo dahalo tamin’io fotoana io. Tsy nitsisy koa ireo malaso fa avy hatrany dia nitifitra, voa teo amin’ny lohany ilay mpiambina ary maty tsy tra-drano. Olona iray ihany koa no voalaza fa voatifitra teo amin’ny feny ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly amin’izao fotoana.

Taorian’ny fampandrenesana, tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana ary niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Hatramin’izao ora anoratana izao, dia tsy mbola nisy tafaverina ny omby fa mitohy kosa ny fanarahan-dia.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser