Lozam-piarakodia mahatsiravina, no nitranga teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka, ny alatsinainy 29 jiona tokony ho tamin’ny 12 ara antoandro . Fiara vaventy iray nivoaka ny toeram-piasana no nifanehitra tamina taksy môtô iray nirafarafa ary tsy nahatana ny hisatra intsony, ka tafatsofoka tao ambany kodiarana aorian’ilay fiara vaventy. Niakarapoka mafy ilay môtô ary nitsirara teo akaikiny ilay nitondra azy. Nijininika ny rà, tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay lehilahy, fa ilay zazalahy nentiny kosa no nipitika lavitra. Nandray andraikitra avy hatrany ireo nahita, indrindra fa nisy mpitandro ny filaminana nandalo teo, ary nisakana izay fiara nandalo hitondrana ilay olona any amin’ny hopitaly. Araka ny fantatra dia avotra soamantsara ihany ilay nitondra ilay môtô rehefa nahazo fitsaboana ka tsy misy atahorana ny ainy. Lasa misesy lany tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao ka tokony hitandrina ny rehetra.
Janus R