Tontosa omaly ny fitokanana ny « poste avancé »-n’ny zandary ao amin’ny kaominina Soavina Atsimondrano, eo ambany fiahian’ny kaompania « Tana Ville ». Tonga teny an-toerana nanome voninahitra izany lanonana izany ireo manamboninahitra avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, notarihan’ny Kômandin’ny fari-piadidiana Antananarivo, ny Jly Rakotomahanina Florens, notronin’ny avy ao amin’ny pôlisim-pirenena. Nambara tamin’izany fa isan’ireo faritra stratejika ny eo Soavina. Taloha teo dia saika ahenoana asan-jiolahy eny amin’ny manodidina. Mihazo an’iny toerana iny, avy eo, ny lalan’ireo olon-dratsy ary tafaporitsaka. Ny alakamisy teo no nakantoavin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny fananganana izany teny Soavina. Inoana fa afaka hiaina am-pilaminana ireo mponina eny amin’iny faritra iny, manomboka izao. Nofaranana tamin’ny koranam-pifaliana ny lanonana teny an-toerana. Omby iray no natolotry ny Ben’ny tanàna ho fiaraha-mifaly tamin’izany.
m.L