- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Môtô nodomina fiara, namoy ny ainy ny PDS

Betafo : Môtô nodomina fiara, namoy ny ainy ny PDS

Zava-doza no niseho omaly hariva, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Tsarasaotra, Ilaka Centre, Ambositra. Nifandona tamin’ny fiara ny môtô nentin’ity Pds-ny kaominin’i  Betafo, Atoa Alain Michel Rakotonirina. Naratra mafy tokoa ny lehilahy ary nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Ambositra. Indrisy anefa fa noho ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy, nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Avy nandevina tany amin’iny faritra Ambositra iny ity ben’ny tanàna mpisolo toerana ity ka handeha hody hamonjy an’i Betafo izao niharan-doza izao. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia izy no notendrena hisolo toerana ny ben’ny tanàna eo amin’ny fitantanana ny kaominina ary vao avy nandray izany fahefana izany, ny 26 jona lasa teo. Efa ho 10 taona teo kosa no nitanany ny anjara toeran’ny lefitry ny ben’ny tanàna. Niara-niombona alahelo i Betafo iray manontolo omaly, izay vory lanona tokoa nitsena ny razana tao an-tampon-tanàna. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tao amin’ny tranom-pokonolona no nandrasana ny razana. Namela mananon-tena sy kamboty mianadahy Itompokolahy, raha ny fantatra hatrany.

m.L / Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser