Olona manana fahefana feno amin’ny alalan’ny hosoka entiny sy fahefana hafahafa ananany eny ambanivohitra no saron’ny zandary teo am-panaovana ny asa ratsiny miaraka amin’ny ody gasy sy moara fandemen-tsaina maro, miaraka amin’ireo fitomboka hosoka .Tsy misy ahafantarana azy mihitsy ny fitomboka sy ny antontan-taratasy karakarain’ity lehilahy ity, miaraka amin’ny sonia , satria ananany avokoa ny fitomboky ny zandary , ny ben’ny tanàna, ny veterinaire, fokontany. Hainy tsara ny mandrafitra ny teny atao ao anaty taratasy, indrindra ny taratasin’omby ary efa maro ireo tafavoakany ka fanina ireo tompon’andraikitra somary variana amin’ny fisavana .Ireo dahalo tena raindahany no tena mifandray sy mikarakara taratasy amin’ity lehilahy ity, ary ao Morarano chrome izy no monina, ka ireo omby halatra mihazo an’i Tsaratanana sy Boeny, Mahajanga iny no tena lasibatra ara-taratasy. Hentitra ny kolonely lehiben’ny zandary ao Ambatondrazaka nanentana ny rehetra, indrindra fa ny any amin’iny faritry Boeny Mahajanga sy ny manodidina iny, amin’ny taratasy hosoka efa vitan’ity lehilahy ity, mba samy ho mailo sy hanara-maso tsara eo am-pisavana sy ny fividianana omby sy entana. Izay tratra miray tsikombakomba mantsy dia hiharan’ny lalàna avokoa .
Janus R