- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Enin-dahy mirongo kalaky nanafika “épicerie”

Ambohibao : Enin-dahy mirongo kalaky nanafika “épicerie”

Nirefodrefotra indray ny basy ny alakamisy alina lasa teo, teny amin’iny faritra Ambohibao, mizotra mankany Ambohijanahary iny. Jiolahy enin-dahy mirongo kalaky no indray nanafika mpivarota enta-madinika iray teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra nandritra ity fanafihana ity, fa vola any ho any amin’ny iray tapitrisa ariary any no lasan’ireo olon-dratsy. Re nanakoako eran’iny faritra Talatamaty, Ambohijanahary, tonga hatrany Ankadindravola iny ny feom-basin’ireo olon-dratsy, raha ny filazan’ireo mponina. Tifi-danitra tsy an-kijanona ny an’ireo olon-dratsy, ho fampitahorana ireo mponina teny an-toerana. Tsy afa-nanoatra teo anoloan’izay ireo voatafika fa dia nanome izay nilain’ireo olon-dratsy ireto, izay vola matin’ireto tompon’ny fivarotana nandritra ny andro. Vita ny asa ratsin’ireo jiolahy vao afaka niantso vonjy ireo mponina. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, saingy efa najavona tanteraka ireto andian-jiolahy ireto. Tsiahivina fa vao andro vitsivitsy lasa izay dia tokantrano efatra no indray nasesin’ireo olon-dratsy teny ho eny amin’iny faritra Ambohibao sy ny manodidina iny hatrany. Tsapa tokoa tato ho ato fa na eto an-drenivohitra na amin’ireo faritra manodidina dia saika andrenesena fanafihana mahery vaika sy andian-jolahy mirongo kalaky. Avy aiza ireto basy? Mbola tsy fantatra hatreto. Ary toa tsy mahagaga intsony ihany ny firongatr’ireo jiolahy : basy mipoa-tokana efa tamin’ny andron’ny ady lehibe voalohany ve ny an’ny mpitandro filaminana sasany, entina miady amin’iretsy olon-dratsy miraratra fitaovam-piadiana arifomba hatrany am-paladia …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser