Toy ireny amin’ny horonan-tsary mihetsika ireny mihitsy raha zohina ity zava-nitranga teny Ambohijanamasoandro-Itaosy ity. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva, tao amin’ny tranon’ny teratany sinoa iray, no nigadona ny dimy lahy mitam-piadiana. Raha araka ny fantatra dia manana fiara tsy mataho-dàlana io sinoa io ary nisy olona roa tonga tao an-tokantranony mba hanofa ireo fiara. Teo am-panatontosana ny fifanarahana ny roa tonta no tonga tampoka ny jiolahy. Hitan’ilay sinoa ny niavian’izany ka nahatonga azy nitsoriaka tao amin’ny efitranony mba haka basy. Nampiasainy izany fitaovam-piadiana ary mba hitifirana ireo jiolahy. Saingy tsy ireo jiolahy no voatifitra fa ny iray tamin’ireo vahiny. Voa teo amin’ny lamosiny raha araka ny fantatra. Raha nahita izany ireo jiolahy dia nitsoaka nanavotra aina ary niala teo amin’ilay toerana. Rehefa tsy nahazo na inona na inona tao izy ireo dia nifindra lasy indray, teo amin’ny trano iray teo amin’ny manodidina ihany. Mpivady iray vao tonga tao an-trano no nataon’izy ireo lasibatra indray. Lasan’ireo jiolahy ny solosaina iray entin-tànana sy fahitalavitra fisaka iray. Niezaka ny niaro ny tokantranony ilay lehilahy saingy tifi-basy no valin’izany. Voatifitra ary naratra mafy ihany koa. Olon-tsotra roa izany no naratra tao anatin’ity fanafihana indroa miantaona tetsy Itaosy ity, toerana izay sady misy borigadin’ny zandary no misy kaomisarian’ny pôlisy, kanefa dia faritra mena lalandava…
D.R
Itaosy : Fanafihana sinoa, olona roa voatifitra
Articles qui pourraient vous intéresser