Tovolahy iray 26 taona, antsoina hoe Havotiana, no nanaovan’ny pôlisy sarika am-pandriana teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, ny alarobia lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana dia isan’ireo raindahiny amin’ny fanendahana, eny amin’iny lalan’ny « Boulevard de l’Europe » iny ity tovolahy ity. Roa lahy izy ireo no tena mpiaraka, izay efa kalaza lahy amin’ny fanendahana avokoa, dia i Havotiana sy izany “Dai” izany. Lasibatra ireo sendra tafody alina mihazo ny lalana iny. Vao tsy ela izay, araka ny fampitam-baovao hatrany, no nisy tratra, ka vola iray hetsy mahery miaraka amina finday avo lenta iray no lasan’ireto olon-dratsy ireto. Tsy vitan’izay anefa fa mbola isan’ny malaza amin’ny resaka famakian-trano eny amin’ny faritra Antohomadinika iny ihany koa ity voasambotra ity. Marihina fa nandà mafy ny amin’izany ny tovolahy, kanefa rehefa nojerena ny antontan-taratasiny dia fantatra efa nigadra teny Antanimora, noho ny resaka fikamban-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ity tovolahy ity, araka ny fampitam-baovao hatrany. Omaly no natolotra ny Fampanoavana teny Anosy ity mpanendaka sy mpamaky trano ikoizan’ny mponina ity.
m.L