- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy: Mpivarotra rongony voasolokina pôlisy sandoka

Anosy: Mpivarotra rongony voasolokina pôlisy sandoka

Ny alarobia lasa teo, voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Anosy ny vehivavy iray, teny amin’iny faritra Fasan’ny karàna iny, raha teo am-pivarotana rongony, ary nentina nohadiadihana teny Anosy. Nony hamangy azy teny amin’ny biraon’ny pôlisy hitazomana azy anefa ny vadin’ity ramatoa tratra ity no tojo olona antsoina hoe José, izay nilaza fa pôlisy ao amin’ilay toerana ka afaka manao raharaham-pihavanana, mba hampivoaka an’ilay ramatoa. Vola teo amin’ny roa hetsy ariary teo no notakian’ity lehilahy ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana. Tany dia tsy hita anefa Ingahy José sy ny vola, tsy tafavoaka araka ny nifanarahana ihany koa ilay ramatoa mpivarotra rongony. Raha ity farany moa dia tratra tao an-tranony mihitsy ny rongony 20 fonosana, ary nolazainy fa eny Ambohimanarina izy no maka ireto zava-madomelina ireto. Tsy nisalasala ihany koa ilay rangahy vadiny, fa niditra avy hatrany tao amin’ny biraon’ny pôlisy mitaky ny hamoahana am-badiny, satria efa nahaaloa ilay vola. Teo vao fantatra fa hay pôlisy sandoka ilay nifampiraharaha taminy. Tsy niandry ela fa taorian’izay dia noraisim-potsiny teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny i José, izay niaiky tokoa fa nisandoka ny ho pôlisy mba hakany vola, noho ny tsy fananany. Omaly ihany ity ramatoa mpivarotra rongony sy pôlisy sandoka ity no natolotra ny Fampanoavana. Lasa ihany sain’ireo mpanara-baovao manoloana izao tranga izao, mety ho efa zava-panaon’ny eo anivon’ireo mpitandro filaminana tokoa ve izany, matoa misy ny misoloky ? Asa loatra re …
m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser