Nanazava ny tena zava-miseho marina any amin’iny faritra Ilalaka iny tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny mpanao gazety namana avy any an-toerana Fernand Cello. Nambarany fa efa vaky tanteraka ilay faritra arovana, izay eo ambany fitantanan’ny MNP, any amin’iny toerana iny. Ity farany raha tsiahivina dia natao ho faritra arovana, efa ho taona vitsy lasa izay. Nisy fitrandrahana gaboraraka tao amin’io toerana io tamin’ny taon-dasa ary efa nahavoasazy mpitandro filaminana sy olona maromaro. Ankehitriny dia miverina indray izany, hoy hatrany ity mpanao gazety ity, ary misy olona akaiky ny tompon’andraikitra ambony, mikasa mihitsy ny hanao « perimètre minier » an’ilay faritra, hoy izy. Miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, araka izany, izy eo anatrehan’izany zavatra izany. « Efa tsy hita intsony izay maha faritra arovana azy io fa efa tena potiky ny fitrandrahana tsy ara-dalàna», hoy ny fanazavany.
m.L
Ilalaka « Rava tanteraka ny faritra arovana », hoy i Fernand Cello
Articles qui pourraient vous intéresser