Vao maraina be tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany no naharay antso ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo fa misy fatin-dehilahy iray hitan’ny olona teo amoron-dalana, teny Ampandrianomby. Tsy niandry moa ry zareo fa nandeha avy hatrany teny an-toerana. Rehefa nojerena ny razana dia fantatra, hoy ny vaovao, fa matin’ny toaka ity olona ity. Mbola nandrenesana fofon-toaka avy aminy. Lehilahy eo amin’ny 35 taona eo ilay izy. Nitangorona ny olona mandeha maraina nizaha ny zava-nisy. Voalaza moa fa toa tsy nisy nahafantatra azy tamin’io fotoana io. Rehefa vita ny fanadihadiana isan-karazany dia nalefa teny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana. Re teny an-toerana ihany fa tsy nisy nahafantatra azy ireo rehetra teny an-toerana.
Maro ny resaka fa talohan’ny nahafantarana fa toaka no nahafaty azy. Efa lasa zatra asan-jiolahy ny olona amin’izao fotoana izao ka ao ny nihevitra fa vonoan’olona indray ity niseho teny Ampandrinomby ity. Vao ny alarobia mantsy no nisy mpivarotra nandeha nody notsindromin’ny sasany antsy teo amin’ny tendany ary maty. Tsy nisy vola akory anefa tany amin’io olona io. Tsy mitsitsy mihitsy ny mpanendaka amin’izao fotoana izao.
r.s.
Ampadrianomby: Lehilahy iray hita faty teo amoron-dalana
Articles qui pourraient vous intéresser