– Miarinarivo. Fiara nosakanana enin-dahy. Nisehoana fanakanan-dalàna indray teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, ny alarobia alina lasa teo. Fiara kely iray no nosakanana enin-dahy teny an-dalana raha handeha hamonjy ny renivohitra ireo olona tao anatiny, raha niala kely an’i Miarinarivo. Araka ny fampitam-baovao azo dia toa hoe efa nandrasan’ireo olon-dratsy mihitsy ireto olona ireto, ary ireo voatafika ireo avy eo. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny vola rehetra tany amin’ireto olona ireto. Nisy ihany koa ny naratra, raha ny vaovao azo hatrany. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy
– 67ha. Nanangon-tsonia ho fanoherana ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana ny mponina. Efa tafiakatra 276 hatreto ny sonia voaangona raha ny fantatra, teny amin’iny faritra 67ha iny, nataon’ireo mponina, manoloana ny fanjakan’ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana. Indrindra indrindra fa ny fisian’ireo andian’olona manafika ireo mpamily, izay mindrana an’iny lalana 67ha mankany Ampasika iny. Sonia ho fangatahana ny hanamafisana ny filaminana eny an-toerana ity natao ity.
nangonin’i m.L
Tapatapany
Articles qui pourraient vous intéresser