
Mpandeha tamin’ny fiara mpitatitra roa karazana, no indray voaroban’ny jiolahy. Ny alin’ny zoma teo no nisy nanao fanakanan-dàlana teo Ambohibary-Sambaina. Tsy vitan’izany, fa nitifitra avy hatrany ny olon-dratsy ka nandratra ny mpamily ilay kamiao teo alohan’ny “mini-bus” iray. Rehefa naratra vokatr’izany ny mpamily, dia voatery tsy nijanona ary tsy afaka ny nihetsika ihany koa vokatr’izay ilay fiara fitateram-bahoaka tao aorinany. Izay toe-javatra izay mihitsy angamba no tanjon’ireo olon-dratsy izay tsy niandry ela, fa avy hatrany dia nanao ny asa ratsiny : norahonany tamin’ny basy sy sabatra ireo olona rehetra, na tao anaty kamiao io na tao anaty “mini-bus” dia nalaina ny firavaka sarobidy sy ny finday ary mazava ho azy, ny vola. Kivy ny mpandeha nanoloana ny zava-nitranga, satria nosavaina hatramin’ny entan’izy ireo mihitsy. Midika izany fa, tsy nisy inona na inona nentina nody intsony ho an’ireo olona 25 teo ho eo; izay voaroba. Soa fa mba nisy tadidin’ny mpamily tao amin’ilay “mini-bus” ny endriky ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Nametraka fitoriana izy ary nisy ny fisamborana nataon’ny zandary taorian’izay. Teo aloha, dia misy solontenan’ny zandary izay mandeha ao anatin’ny fiara fitaterana amin’ireo lalam-pirenena izay mafana amin’ny asan-jiolahy. Nisy ihany koa ny fepetra izay tsy hahafahan’ny fiara mifamezivezy amin’ny alina, tamin’ny fotoana nisesy ny fanafihana. Nisy vokatsoany avokoa izany, satria ankoatra ny fihenan’ny asan-jiolahy, dia nihena ihany koa ny lozam-pifamoivoizana, noho ny fatahoran’ny mpamily fa misy mpitandro ny filaminana manara-maso izy. Inona moa no tsy hamerenana ny zavatra efa nety?
D.R