- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena: Mpivady voaendaka, voadidy antsy ily lehilahy

Antanimena: Mpivady voaendaka, voadidy antsy ily lehilahy

Tamin’ny faha-5 jolay lasa teo, avy nandeha nivoaka tany ivelan’ny tranony ny mpivady mpiasan’ny gara. Efa alina ihany vao niverina hody any an-tranony izy ireo. Rehefa tonga teo akaikin’ny tranony etsy Antanimena, mandingana ny lakandrano, nisy roalahy nanendaka izy mivady, hoy ny filazan’ny fianakavina niresaka tamin’ny mpanao gazety. Tsy nanaiky izany ilay lehilahy izay fantatra fa anisan’ny afaka miaro ny tenany. Raikitra teo ny ady teo amin’ireo mpanendaka sy izy mivady. Naratra voatsatoka antsy teo amin’ny tanany ilay voaendaka ary nijininika ny rà. Dian’antsy roa no hita ary efa nentina tany amin’ny dokotera. Tsy dia lavitra eo ny trano hipetrahan’izy roa ireo.Vetivety dia nisy olona tonga nanamarika ny zavatra niseho. Afaka efatra andro taty aoriana anefa, nisy nilaza fa maty ilay mpanendaka, hoy hatrany ny filazan’ny fianakaviana nanome vaovao. Nitory an’ilay voaendaka sy ny vadiny ny havan’ny maty. Ny mahagaga ny rehetra dia ny voaendaka indray no nolazaina fa lasa namono olona. Re avy amin’ny fianakavian’ilay voaendaka fa nandritra ny roa andro taorian’ny fanendahana dia mbola nisy nahita nandehandeha teny an-dalana ilay namoy ny ainy. Ho an’ny fianakavian’ireo voendaka dia fiarovan-tena ny nataon’izy ireo fa tsy zavatra hafa mihitsy. Faritra ahitana asa fanendahana saika isan’andro ny toerana nahavoa ireto mpivady ireto.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser