Araka ny tatitry ny mpitandro filaminana dia tena misy tokoa ny asa fampihorohoroana eto an-drenivohitra. Voalaza fa misy andian’olona manao izany. Misy araka izany ny manararaotra ny fisian’ny fivelesana hazo misy fantsika ka manely an’izany eraky ny tanàna. Tamin’ny valan-dresaka nataon’ny tompon’andraikitra no nahalalana fa nisy olona nametraka « bois rond » misy fantsika rezatra maro, napetraky ny sasany teny amoron-dalana. Hita fa toa nosorana zavatra mena toy ny rà ilay izy. Fanahy niniana ity zavatra ity, hoy ny vaovao entina hampirohohoroana ny mponina. Teny Ampamantanana Androndra no nahitana io hazo feno fantsika io, ny faha-13 jolay tamin’ny 11 ora antoandro. Hatramin’izao anefa aloha, tsy nisy fitarainana tonga teo anivon’ny mpitandro filaminana eo amin’ireo boriborintany valo misy eto an-drenivohitra. Efa misy kosa anefa ny fanadihadiana misokatra ataon’ny polisy mahakasika izao zavatra izao. Tsy hay, araka izany, na efa nampiasaina io azo io na tsia. Ny filazana voaray dia ny hoe tranga iray entina hampihorohoroana ny vahoaka sy hanakorotanana ny filaminana eto an-drenivohitra no ataona olona tsy fantatra ankehitriny. Hararaotin’ity olon-dratsy ity ny feo miely mikasika ny tranga vely « bois rond » nisy teto Antananarivo. Manohy ny asany hatrany ny polisim-pirenena ary ireo olona tratra mitondra hazo vaventy toy ny bois rond mandeha alina dia hosamborina avy hatrany ary sokajiana ho isan’ireo mpanao ratsy.
nangonin’i r.s.