- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga: Mpampianatra voatondraka maloto sy voadaroka

Moramanga: Mpampianatra voatondraka maloto sy voadaroka

Hatolotra ny fitsarana ny 14 jolay ireo lehilahy telo nahavanon-doza nidaroka sy nanondraka maloto an’ilay mpampianatra handeha hiasa tao amin’ny kaominina Ambatovola, ny marainan’ny 06 jolay tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany. Raha nijanona niarahaba ny anadahiny izy no nanaovan’ireo lehilahy telo ny toetra ratsiny. Fanazavana no nangatahin’ity mpampianatra ity rehefa voatondraky ny loto efa fanary any anaty lava-piringa izy, kanefa dia daroka no setrin’izany, ary nifandrombonan’ireo telo lahy sady mirijarija no salama saina ireo izy tamin’ny daroka. Niafara tamin’ny fahapotehan’ny masony izany, ary izay olona tonga niaro azy teo dia nodarofan’ireo lehilahy ireo avokoa, sady nitombo an-dalana ny isan’ireo mpampiasa hery. Nahavita nitsoaka ihany ireo voadaroka rehefa tonga maro ny fokonolona nanakana, ary namonjy ny mpitsabo haingana izy ireo. Nahazendana azy ireo ny tena hevitr’izao fidarohana izao. Ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charle dia manameloka an’izao fikasihan-tanana mpanabe aty ambanivohitra izao, na inona na inona antony, « satria raha (hoy ihany ity olom-boafidy ity) toa ka tsy fitovian-kevitra izao dia tsy manaiky izy fa hanaraka akaiky an’izao raharaha izao. « Avelao, hoy ihany izy, ny olona rehetra halalaka amin’izay mety ho heviny ». Ny komandin’ny vondrontobim-paritra eto Moramanga avy hatrany dia nandray fepetra raha vantany vao naharay antso mahakasika izao raharaha izao ary nidina ifotony, na dia tsy tongan’ny fiara aza ity kaominina ity.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser