- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona: Roalahy namaky ny tranon’ny filoham-pokontany

Ambodivona: Roalahy namaky ny tranon’ny filoham-pokontany

Tsy lasa lavitra ny olona roa dia tratran’ny mpitandro filaminana rehefa avy namaky ny traonon’ny filoham-pokontany tetsy Ambodivona, ny alin’ny 14 jolay teo tamin’ny 11 ora. Ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 no nahatratra azy roa ireo. Vata fahitalavitra iray no azon’izy roalahy ireo ary napetrany tao anatina elakelan-trano io avy eo, fa nikasa hamaky trano fivarotam-panafody izay tsy lavitra teo ireto tontakely. Efa voalavaka ny rindrin’ilay trano no nandalo ny polisy nanao fisafoana ka nitsoaka ireto olon-dratsy ary raikitra ny fifanenjehana, saingy tsy lasa lavitra akory dia tratran’ny polisy izy ireo. Atolotra ny Fampoanoavana tsy ho ela izy roalahy ireto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser