- Publicité -
mardi, février 17, 2026
AccueilFaits-DiversAmbodivona: Roalahy namaky ny tranon’ny filoham-pokontany

Ambodivona: Roalahy namaky ny tranon’ny filoham-pokontany

Tsy lasa lavitra ny olona roa dia tratran’ny mpitandro filaminana rehefa avy namaky ny traonon’ny filoham-pokontany tetsy Ambodivona, ny alin’ny 14 jolay teo tamin’ny 11 ora. Ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 no nahatratra azy roa ireo. Vata fahitalavitra iray no azon’izy roalahy ireo ary napetrany tao anatina elakelan-trano io avy eo, fa nikasa hamaky trano fivarotam-panafody izay tsy lavitra teo ireto tontakely. Efa voalavaka ny rindrin’ilay trano no nandalo ny polisy nanao fisafoana ka nitsoaka ireto olon-dratsy ary raikitra ny fifanenjehana, saingy tsy lasa lavitra akory dia tratran’ny polisy izy ireo. Atolotra ny Fampoanoavana tsy ho ela izy roalahy ireto.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

S'abonner à notre newsletter