- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Maevatanàna: Mpitandro ny filaminana ny roa tamin’ireo voasambotra

Raharaha Maevatanàna: Mpitandro ny filaminana ny roa tamin’ireo voasambotra

Voavaly tanteraka ny fanontanian’ny besinimaro mahakasika ny niavian’ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireo jiolahy, indrindra ireny kalachnikov sy P.A ireny. Nazava izany, na tsy niteny nivantana aza ny pôlisy misahana ny heloka bevava (BC) nandritra ny tafatafa niarahany tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Anosy. Nampahafantaran’izy ireo fa mpitandro ny filaminana ny roa tamin’ireo jiolahy efatra; izay nosamborina tany Maevatanàna. Basy kalachnikov roa miaraka amin’ny bala 31, no sarona niaraka tamin’ireo olona ireo. Efa nisy ny voaroban’ity andian-jiolahy ity, isan’izany ny mpanakalo devizy etsy Antanimena. Tsy nijanona tamin’ny fisamborana ireo efa-dahy ny raharaha fa mbola nitohy tamin’ny fisavàna trano ihany koa. Teo no nahatrarana basy PA iray hafa. Raha araky ny fanazavan’ny BC dia hiitatra any amin’ny faritra ny hetsika ataon’izy ireo izay antsoiny hoe “force de frappe”. Tamin’ity volana ity, raha araka ny fanazavana azo ihany, dia nahatratra telo ny vono olona nitranga teto an-drenivohitra sy ny manodidina ary torak’izany ihany koa ny fanafihana mitam-piadiana. Misy ny fanadihadiana mahakasika an’izany ary efa nisy ihany koa ny naiditra am-ponja. Momba ireo ihany dia fantatra fa misy basy lava, kalachnikov dimy mbola mandehandeha any amin’izao fotoana izao ary karohina fatratra miaraka amin’ny olona mitazona azy. Basy etsy, basy eroa. Mila hapetraka ny fanaraha-maso hentitra ny basy eny amin’ny mpitandro ny filaminana, raha tiana hilamina ny tanàna…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici