- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa bevohoka afa-jaza nianjera tamin’ny moto

Toliara : Ramatoa bevohoka afa-jaza nianjera tamin’ny moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona indray tany Toliara omaly. Vehivavy iray 23 taona, bevohoka dimy volana no afa-jaza nianjera avy teny ambony moto nandehanany nifaohana « cyclo-pousse » avy tao aoriana tanaty fiolanana. Naratra teo amin’ny tanany kosa ilay vadiny nitondra ilay scooter. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza dia nandeha mafy ity posy avy nanao propangady. Potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ny lohan’ilay « cyclo-pousse » nandona, raha vaky jiro sy pepo ny ilan’ny ankavanan’ilay moto.

Nitsoaka natahotra fitsaram-bahoaka. Raha ny fanazavana ihany dia nahenoana fofon-toaka ilay mpitondra posy ary rehefa tafatsangana dia nandositra nitsoaka avy hatrany natahotra ny mety ho fitsaram-bahoaka. Matetika dia vokatry ny tsy fitandremana sy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ataona mpitondra posy toy izao no mahatonga ny loza ao Toliara. Mandeha mafy izy ireo ary tsy misalasala misongona fiara na moto eo alohany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici