- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasanimalo : Mpitandro ny filaminana niloka, nanambana basy olona

Ampasanimalo : Mpitandro ny filaminana niloka, nanambana basy olona

Natao hiaro ny vahoaka sa natao hampihorohoro ny mponina ? Asa tokoa raha iza amin’ireo no tena anjara asan’ireo mpitandro ny filaminana eto amintsika. Teny Ampasanimalo teny, ny alakamisy hariva lasa teo, mpitandro ny filaminana roalahy efa maimbo toaka, araka ny filazan’ireo manodidina no namoaka basy ary nandrahona izany ireo tovolahy teny amin’ny manodidina. Araka ny fantatra dia toa hoe efa fanaon’ireto mpitandro ny filaminana ireto no tonga miara-miloka amin’ireo tovolahy eny amin’ny manodidina. Tamin’io fotoana io anefa, hitan’izy ireo fa resy izy ka avy hatrany dia nila vaniny. Ny iray nibata avy hatrany ny vola natao « fonds », ilay iray kosa namoaka ny basiny sy nandrahonana ireo mpiara-milalao aminy, raha ny fanazavana azo. Toa efa fandre matetika etsy sy eroa ny tranga tahak’ity tetsy Ampasanimalo ity, ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana mihevitra azy ireo ho ambonin’ny lalàna, ka manampatra ny fananan’izy ireo basy. Tsy mahagaga araka izany fa tsy misy intsony ny fitokisan’ireo vahoaka an’ireo mpitandro filamilanana, hany ka mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici